Olona miisa 7 no nosamborina teny amin’ny Boriboriborintany faha-5 omaly zoma 11 janoary vao maraina ary nalefa avy hatrany teny amin’ny fampanoavana.
Re fa notoriana olom-boafidy iray izy ireo noho ny tsy fitovian-kevitra ara-politika satria avy amin’ny K25. Raha ny fanamarihan’ny olona dia tsy vao izao io olom-boafidy io no manao vava tsy ambina sy mihetraketraka. Ny takarivan’ny 19 desambra dia nisy ny fisamborana sy fandrahonana tamin’ny basy natao ny olon’ny K25 iray mpikamban’ny Birao fandatsaham-bato, raha ny horonantsary fijoroana vavolombelona niparitaka tamin’izany. Nambaran’io lasibatra io fa nambanana basy sy nosavaina izy, ary norahonana hoe: “tonga dia any Tsiafahy ialahy androany”. Izao indray dia raikitra ny fampisamborana olona sy fikasana hanagadra. Nalefan'ny fitsarana nody moa ireo K25 miisa 7 voasambotra omaly ary amin'ny alarobia 16 janoary miverina eny amin'ny fitsarana. Tantara mitohy…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.