Politique

Bokin’ I Andry Rajoelina Hampiana-dratsy tanora?


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Nivoaka sy naparitaka tetsy amin’ ny zaridainan’ i Andohalo ny asabotsy lasa teo ny boky mirakitra ny tantaram-piainan’i Andry Nirina Rajoelina mitondra ny lohateny hoe « Par amour de la patrie ». Resahina sy hita ao avokoa ny fahazazany, ny fiainany manokana, ny mampiavaka azy ary ny lalany ara-politika izay nodiaviny.

 Hita ao amin’ io boky io ihany koa ny teboka maromaro nifamahofaho nandritra ny fifidianana 2013. Nandritra ny lahateniny dia nilaza izy fa nijoro tamin’ny heviny izy ka tsy nanaiky ho tambazana vola be ary notsindry fa tsy nisy nanenenany avokoa ny nataony. Midika izany fa fanaovana zinona mpiray tanindrazana satria tsy nanenina ny tenany nampahantra ny Malagasy. Iaraha-mahalala sy mahita ny fahasahiranana mianjady amin’ ny rehetra amin’ izao fotoana izao ary Andry Rajoelina no tompon’antoka voalohany amin’ izany fahatrana lalina izany. Efa nibaribary sy niaraha-niaina nandritra ny tetezamitan’I Andry Rajoelina: nitodika lamosina antsika avokoa ny rehetra, natao tantely afa-drakotra ny harem-pirenena, nahazo laka tanteraka ny asan-dahalo sy ny jiolahy, nifandrafy ny samy Malagasy… Mipetraka eto ny fanontaniana: hita ao izany ny fomba sy paikady hanonganam-panajakana? Ny fomba famarotana harem-pirenena antsokotsoko? Ny tsy fanajàna rafitra sy lamina? Tsiahivina fa mbola tsy nisy miaramila ambany grady nibaiko ny amboniny raha tsy tamin’ izany andron’ ny tetezamita izany. Tsy ho zava-doza ho an’ny tanorantsika ve izany? Voaporofo aloha fa miala “bala” hoy ny fitenin-jatovo sy mody fanina ny filohan’ny tetezamita teo aloha.  Tompony fa tsy mpindrana tokoa Atoa Andry Rajoelina amin’ny resaka serasera satria fisehosehoana ivelany no tena nibahan-toerana nandritra ny hetsika ny asabotsy lasa teo ary raha vantanina ny resaka, pokaty tanteraka ilay boky “Par amour de la patrie” saingy sarontsaromana ao anaty fonony mangirana fotsiny. 

 

Marigny A.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT