Nanatanteraka ny sidina voalohany nampitohy an’Antananarivo sy Nosy Be omaly ilay fiaramanidina Boeing 737-800 an’i Air Madagascar.
Nahafa-po ny sidina, hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina izay anisan’ny mpandeha niaraka tamin’ny minisitra vitsivitsy sy ny filohan’ny filankevi-pitantanan’ny Air Madagascar nankany Nosy Be omaly. Na dia teo aza ny olana isan-karazany dia milaza ny ho manam-pinoana ny amin’ny fiarenan-dohan’ny Airmad ny filoham-pirenena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.