Politique

Biraon’ny paositra Hanana ny azy mankona i Sabotsy Namehana


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Omaly no napetraky ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina, teny amin’ny kaominin’i Sabotsy Namehana ny vato fehizoro, rarivato fototry ny birao vaovaon’ny Paositra Malagasy ho fanamarihana ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny paositra.

 

 Marina fa  efa mitsoka mafy ny rivotry ny  fandrosoana amin’ny alalan’ny finday sy ny  aterineto fa mbola  mitana ny  toerany lehibe ny  paositra. Eto Madagasikara dia mbola ny 70%-n’ny vahoaka no  mampiasa ny paositra, hoy ny  filoha. Ao  amin’ny tanjon’ny fampandrosoana  maharitra  izay nofaritan’ny  firenena  mikambana dia mbola manana ny toerany ny paositra sy ny fifandraisan-davitra.

 Izao  fananganana  biraon’ny  paositra vaovao ho an’ny  kaominina  izao, hoy ny filoha dia azo itarafana ny ezaky ny fanjakana  foibe manatona ny kaominina  mitondra  ny fampandrosoana.

Ny  tanjona dia ny hametraka fotodrafitrasa hanampy ny vahoaka ka anisan’ny tanjon’ny fanjakana ny  teknolojia hiaka farany, ka tafiditra  amin’izany ny fametrahana tranokalam-pifandraisana  ho an’ireo biraon’ny paositra miisa 250 eran’i Madagasikara.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT