Politique

Biraom-pifidianana Nitombo isa ho 24.852


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Mandeha ny feo fa efa nametraka ireo tabilao ahafahan’ireo kandida mampiely ny heviny manomboka ny 8 oktobra izao ny avy eo anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na ny CENI.

 

 

Tsy mbola misy izany, hoy ny filoha lefitr’ity vaomiera ity fa mpisandoka izay efa nametraka. Ny 8 oktobra izao manomboka amin’ny 6 ora maraina no miandoha ny fampielezan-kevitra ary farafaha alohany dia ny 6 oktobra vao tokony hipetraka. Tsy marina koa ny filazana fa fanitso fa tsy hazo toy ny teo aloha intsony no hampiasaina. Tabilao hisy takelaka 37 no ho eo. Ny 1 misy ny tsara ho fantatra rehetra momba ny fifidianana ary ny ambiny fampielezan-kevitr’ireo kandida miisa 36. Mirefy 1,20 metatra na ny lavany na ny sakany. Nanambara ny avy eo anivon’ny CENI fa efa voafaritra ny talata teo koa ny isan’ireo biraom-pifidianana ka 24.852 manerana ny Nosy ho ana mpifidy miisa 9.913.599, raha 20.001 tamin’ny 2013. Araka ny fehezan-dalàna momba ny fifidianana vaovao dia ferana ho 700 ny mpifidy voasoratra anarana amin’ny biraom-pifidianana iray. Izay no nitarika ny fitomboan’ny isan’ny biraom-pifidianana. Nisy koa ireo fokontany nangataka ny hanokafana biraom-pifidianana vaovao, ka nisy ny nekena fa nolavina raha latsaky ny 100 ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana, hoy ny fanazavan’ity filoha lefitry ny CENI ity. Nanomboka omaly any Afrika Atsimo ny fanontana ny andiany voalohany amin’ireo taratasin-datsabato na biletà tokana manokana na SPECIMEN hampiasain’ireo fiarahamonim-pirenena hanaovana fanentanana sy fampianarana ny mpifidy amin’ny fampiasana azy, homena amin’ireo kandida hampiasainy amin’ny fampielezan-keviny ary ny CENI hanofanana ireo rantsamangaikany sy ireo mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato. Amin’ny voalohandohan’ny volana oktobra kosa no hatonta ireo taratasin-datsabato tokana hampiasaina amin’ny 7 novambra 2018 andron’ny latsa-bato. Raha ny fanazavan’i Thierry Rakotonarivo dia 10.300.000 eo ny biletà tokana hatonta ho amin’io, izany hoe mihoatra 300.000 amin’ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana taorian’ny famaranana ofisialy ny lisi-pifidianana na RALE sy ny fanadiovana nanesorana ireo anarana miverimberina. Tsiahivina fa nisy 7 969 119 ny mpifidy voasoratra anarana tamin’ny fifidianana filoham-pirenena sy solombavam-vahoaka ny taona 2013, nitombho ho 8 490 445 izany ny taona 2015 nifidianana ireo Ben’ny tanàna sy Senatera. Niakatra ho 9.913.599 izany amin’ity 2018 ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT