Tena tapaka tanteraka ny fifandraisana eo amin’ny Hafari Malagasy sy Atoa Naivo Raholdina filohan’ny Fafi 5 sady solombavambahoakan’i Madagasikara.
Araka ny fanambarana nataon’ny birao nasionalin’ity fiarahamonim-pirenena ity dia nanapa-kevitra ny hanohitra hatramin’ny farany ny filohan’ny Fafi 5 ry zareo noho ny fihetsika feno fihantsiana mankahala ampahibemaso nataon’ity farany amin’izy ireo. Tena tsy fantatra mazava fa manjary halan’ity depiote ity tanteraka ny Hafari Malagasy nefa anisan’ny mba nitondra ny anjara birikiny tamin’ny fahalanian’io olona io ho depioten’i Madagasikara tamin’ny fifidianana farany teo. Tsy ny Hafari irery anefa no tena henjehin’ity solombavambahoaka ity amin’ny haino aman-jery samihafa ankehitriny fa voan’izany koa na ny mpitondra fivavahana na ny mpitondra firenena na mpanao politika na mpanao gazety … Ohatran’ireny hoe madio tsy misy pentina ary faran’izay mahay indrindra ity filohan’ny Fafi 5. Tena tezitra aminy noho izany toetrany izany ny Hafari Malagasy ka nilaza fa ampy izay ny fandeferana nataony ka dia izao izy ireo nanambara ofisialy fa tena manohitra marin-drano an’ity solombavambahoaka ity izao.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.