Politique

Birao fandatsaham-bato Napetraka ny paikady handavorariana ny asany


  • Zoma 02 Novambra 2018

Herinandro mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana dia nisy ny fiaraha-midinika teo amin’ny governemanta sy ny CENI ary ireo mpiara-miombon’antoka amin’i Madagasikara

 

 

 ny alarobia teo teny amin’ny lapan’ny praiminisitra teny Mahazoarivo izay teo ambany fitarihan’ny praminisitra Ntsay Christian sy ny mpandrindra maharitry ny asan’ireo sampandraharahan’ny Firenena mikambana, Ramatoa Violette Kakyomya. Ny fandavorariana ireo fepetra ilaina ahafahan’ny biraom-pifidianana tsirairay miasa araka ny tokony ho izy amin’ny andron’ny fifidianana, no vontoatin-dresaka nandritra izany.Naneho ny fahafaham-pony tanteraka mikasika ny fizotry ny fikarakarana ny fifidianana sy ireo hetsika rehetra nataon’ny CENI sy ny rantsa mangaikany, ireo mpiara-miombon’antoka. Nampahery ny praminisitra sy ny governemanta ihany koa izy ireo,  hanambatra sy hampivaingana  ny ezaka rehetra vita hihazonana ny fitoniana, ny fandriampahalemana ary ny filaminam-bahoaka. Nankasitraka ny ezaka nataon’ny governemanta tamin’ireo fomba maro samihafa niarovany ny fizotry ny fifidianana koa ireto farany. Fotoana nahafahan’ny mpivory nifanakalo hevitra mikasika ny Vaomiera hanara-maso ny famatsiana ny tontolo politika koa ity fotoana ity.

 

Nangonin’i RTT

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT