Manoloana ny fiparitahan'ny biletà tokana efa voamarika hita eny amin'ny tambajotra serasera, dia nilaza ny handray fepetra hentitra ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI),
satria fanaparitahana vaovao tsy marina sy fanakorontanana saim-bahoaka izy ireny. Hametraka ny taratasy ofisialy ny CENI hahafahan'ireo mpitandro filaminana manao ny fikarohana ny olona mpanakorontana. Tsy maintsy hisy ny fanadihadiana ary tsy maintsy hihatra ny sazy, izay mifandraika amin'ny lalàna momba ny “cybercriminalité”. Notsindrin'ny teo anivon'ny CENI fa tsy misy izany biletà tokana voamarika izany, satria miainga avy any Afrika Atsimo ny biletà tokana hampiasaina amin'ny andron'ny fifidianana. Mbola ao anaty fonosana avokoa izy ireo sady maty isa sy misy laharana ary famantarana. Nohamafisin'ny CENI fa biletà tokana natao ho an'ny fanentanana sy fampianarana no nisy nanamboatra. Mahakasika ny fehin-kevitra iombonana nataon’ireo kandidà sasany kosa dia nilaza ny CENI fa tsy misy hidirany intsony ny lafiny politika toy ireny. Ahiahy mikasika ny lisi-pifidianana sy biraom-pifidianana no anton'ilay fivoriambe tamin’ny zoma lasa teo, kanefa nivadika ho fitakiana hafa mihitsy. Ho an' ity vaomiera mikarakara ny fifidianana ity dia mitohy hatrany ny fanomanana ny safidim-bahoaka amin’ny 7 novambra ho avy izao. Rafitra roa ihany, hoy hatrany ny CENI, no manana fahefana manova datim-pifidianana. Misy fanapahana vaovao ataon'ny Fitsarana Avo momba ny lalàmpanorenana na didim-panjakana havoakan'ny governemanta. Miroso foana, araka izany, ny CENI, ary miantso ny olom-pirenena tsy hiroa saina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.