Fantatra ny sabotsy teo ny filaharan’ireo kandida ho filoham-pirenena miisa 36 ao anaty bileta tokana.
Tsy vitsy tamin’ireo kandida no nanohy ny antsapaka teny amin’ny CENI Nanisana tamin’ny alalan’ny famoriam-bahoaka tamina toerana samihafa avy hatrany. Ny tsikaritra dia efa raikitra sahady ny filalaovana ireo tarehimarika entiny avy, indrindra ireo kandida heverina ho favori. Ny kandidan’ny antoko Tiako I Madagasikara, Marc Ravalomanana, ohatra, dia nilaza fa fandaharan’Andriamanitra mihitsy ny datin’ny 25 aogositra ho famaranana ny faha-15 taonan’ny antokony. Io ihany koa no fotoana nivoahan’ny antsapaka fa laharana faha-25 izy ao anaty bileta tokana. 25 desambra koa, hoy ity filoha teo aloha ity no hankalazantsika ny nahaterahan’ny mpamonjy. Ireo mpandinika teny an-jorony koa moa mbola nanampy fa ny 7 novambra izao no hanatanterahana ny fihodinana voalohany amin’ny fifidianana. Andro faha-7 tao anatin’ny herinandro, hoy izy ireo, no namorian’i Dada ny vahoaka teto Antananarivo ary 2+5=7. Heverina ho kandida favori iray ihany koa moa ny natolotry ny antoko Tanora malaGasy Vonona, Andry Rajoelina. Nilaza koa ity kandida ity fa tsy misy ny kisendrasendra eo amin’ny fiainana fa ao amin’ny Korintianina 13: 13 no misy ny teny filamatr’izy ireo ary dia laharana faha-13 no misy azy ao anaty bileta tokana. Hampoizina fa hivoy koa izao ny filoham-pirenena ankehitriny, Hery Rajaonarimampianina, izay kandida laharana faha- 12 fa ny isan’ireo mpianatry ny Tompo voalohany na ireo apostoly ny laharana entiny na koa hoe isa masina amin’ny Kristianina satria dia miisa 12 koa ny fokon’Israely na ilay antsoina amin’ny teny vahiny hoe “12 tribus d’Israel”. Dia samy hilaza azy hatrany ireo fa voatendrin’Andriamanitra sy Kristianina satria Madagasikara rahateo dia sokajiana ho firenena Kristianina. Atrehana ny 7 novambra ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, ka ho hita eo izay tena fanapahan-kevitry ny vahoaka mpifidy.
J.Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.