Nigadona omaly maraina tetsy Ivato ny ampahany voalohany amin’ ny biletà tokana izay natonta tatsy Afrika Atsimo.
Niova ny endriky ny biletà tokana hampiasaina amin’ny fifidianana filoham-pirenena hotanterahina ny 7 novambra ho avy izao ny fihodinana voalohany. Taratasy A3 no ampiasaina ka ny an-daniny roa dia faritra natokana ho an’ireo kandidà miisa 36 ary ny afovoany kosa natokana amin’ny fampianarana olona amin’ny fampiasana ny bileta tokana. Ny fiovana raha oharina tamin’ny fifidianana teo aloha dia anankiroa. Voalohany, ny filaharan’ny kandidà dia miainga amin’ny herijika azony avy amin’ ny antsapaka. Raha ny mahazatra, tokony hisesy ny laharan’ireo kandidà fa amin’ity fifidianana 2018 ity dia ny sisiny an-kavia amin’ny biletà tokana dia natokana ho an’ireo kandidà mitondra ny isa tsy an-kasa, izany hoe ny laharana 1,3,5… 35. Ny sisiny an-kavanana kosa dia ho an’ireo isa an-kasa toy ny 2,4,6…36. Araka ny nambaran’ny CENI, hoheverina fa manaja ny filaharana ny kandidà tsirairay avy ary ny lojika dia ny laharana faharoa mifanandrify amin’ny laharana voalohany. Ny fiovana faharoa dia ny habeny. Raha ny fifidianana farany, 23mm ny haben’ny toerana iray. Satria maro ireo kandidà dia lasa 21 mm izany. Ny ao ambadiky ny biletà tokana indray dia faritra natokana ho an’ny sonian’ny mpikambana amin’ny birao fandatsaham-bato. Araka ny voalazan’ny lalàm-pifidianana vaovao, ny biletà tokana tsirairay avy rehefa halatsaka ao anatin’ny vato fandatsaham-bato mangarahara dia tsy maintsy misy sonian’ireo mpikambana ao anatin’ny biraom-pifidianana. Raha tsy misy an’izay sonia izay dia maty ilay biletà tokana na tsy manan-kery, hoy hatrany ny fanazavana. Mizara roa ny biletà tokana hatonta any Afrika Atsimo. Ity ampahany voalohany ity dia natokana ho an’ny CENI sy ny fiarahamonim-pirenena. Marihina fa misy soratra “formation” ity andiany voalohany ity satria entina hanentanana ny mpifidy. Ny CENI hanana 7 491 mba hampianarana ny mpikambana eo anivon’ny biraom-pifidianana sy ny vahoaka amin’ny fampiasana ny biletà tokana. Ny fiarahamonim-pirenena kosa dia hanana 59 500, izany hoe 50 isaky ny biraom-pifidianana isaky ny distrika isaky ny fiarahamonim-pirenena. Ny andiany faharoa kosa, biletà tokana miisa 10,3 tapitrisa, izay tena hampiasaina amin’ny fifidianana fihodinana voalohany dia ny 7 oktobra ho avy izao no tonga eto Madagasikara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.