Miisa 150.000 ireo bileta tokana manokana na SPECIMEN horaisina eto amintsika ny 14 septambra izao, raha ny fanazavan-dry zareo avy eo anivon’ny Vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana na CENI.
Araka ny fanazavana dia haparitaka amin’ireo fiarahamonim-pirenena sy ireo kandida ary fokontany izany mba hanabeazany ny mpiara-belona aminy. Ny 16 oktobra kosa no hanomboka tonga ireo bileta hampiasaina amin’ny androm-pifidianana. Bileta manodidina ny 3 hetsy sy 10 tapitrisa isa eo no handrasana satria fepetra noraisina, hoy hatrany ny fanazavana, ny hanampiana izany 3% hisorohana ny tampoka.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.