Politique

Bileta tokana – fihodinana faharoa Tsy hiova ny laharan`ireo kandidà


  • Zoma 30 Novambra 2018

Miisa 10,3 tapitrisa ireo biletà tokana hampiasaina amin`ny fihodinana faharoa amin`ny fifidianana filohan`ny Repoblika eto Madagasikara izay hatonta any Afrika Atsimo.

 

 

Hiainga anio ny delegasionina eo anivon`ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (CENI) izay hanafatra ireo biletà tokana ireo. Marihana fa enina (6) andro no hanaovana ny fanontana azy ireo any Afrika Atsimo. Fantatra aloha fa mijanona ho laharana faha-25 ny kandida Marc Ravalomanana ary 13 ihany ny laharan`ny kandidà Andry Rajoelina. Tsy mbola tapaka kosa raha atao hifanila na hifanao ambony ambany ny endrika hanehoana ny biletà tokana. Miankina amin’ny fanapahan-kevitry ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) kosa ny fanovana ny sary famantaran`ny antoko amin`ny fihodinana faharoa. Amin’ny faritra enina (6) no havantana ireo biletà tokana ireo dia Antananarivo, Antsiranana, Mahajanga, Sambava, Tolagnaro ary Toliara hialana amin’ny fahataran’ny fizarana. Manana dimy andro kosa ny CENI sy ny rantsamangaikany amin`ny fizarana aorian`ny fiaingan`ireo fiaramanidina avy ao Afrika Atsimo. Hotaterina amin`ny angidimby na fiaramanidina ihany koa izy ireo ary hozaraina isaky ny distrika ka ny kaominina no miandraikitra azy miaraka amin`ny fitanana an-tsoratra hiatrehana ny fifidianana.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT