Maro ireo zavatra tsy dia mazava amin’ny olom-pirenena sy ny mpanao politika hatramin’ireo kandida filoha momba ny fifidianana hatao ny 7 novambra 2018N Anisan’ireny ny filazan’ny CENI
fa hampitomboina 300 000 amin’ny isan’ny mpifidy ny isan’ny bileta tokana. 9 903 913 ny mpifidy voasoratra anarana ara-dalàna, ary hiampy telo hetsy izany ny bileta hatonta ivelan’ireo lasitra hampianarana ny olom-pirenena na ny « specimen » ? Raha ny fanazavana tsotsotra, hatao fiandry amin’ny mety ho fahadisoana ataon’ny mpifidy ao anatin’ny bileta eo am-panatanterahana ny adidiny, ka mila soloina no antony. Mety hitombina amin’ny lafiny iray io. Efa misy anefa ny fampianarana mialoha ny olom-pirenena amin’ny alalan’ireo « specimen » hatonta mialoha. Ambany hatrany ny taham-pandraisana anjara amin’ny fifidianana eto amintsika. Ny fifidianana filoha tamin’ny 2013, ohatra, dia 61,56% ho an’ny fihodinana voalohany ary nihena 50,72% tamin’ny faharoa. Tena ilaina ve ny fanontana ilay 300 000 fanampiny ? Sao dia kajikajy maloto hanampiana ny vaton’ny kandida izatsy na izaroa ? Ny kandida sasany mantsy amin’izao dia efa misy milaza fa 35% ny taham-pandraisan’anjara, araka ny fanadihadiana hitany. Raha izany dia ampahatelony eo ho an’ny bileta atonta mifanaraka amin’ny isan’ny mpifidy no hampiasaina. Raha ny isan’ny mpifidy 9.903.913 no zaraina amin’ny kandida raha zaraina amin’ny isan’ny kandida dia manome 275.108 isanisany. Ho an’ilay 35% kosa dia eo amin’ny 3 500 000 no mety handatsa-bato, ka raha sanatria ilay 300 000 bileta tombony no hanampiana ny kandida iray 9% dia mipetrapetraka izy, ankoatra izay vato ho tena ho azony. Ny ahiahy tsy hihavanana ary ny hamisavisana ny ratsy hiavian’ny soa. Ny antoka amin’ny haneken’ny kandida tsirairay ny voka-pifidianana tsy misy hatreto. Ekena fa hisy ny solontena tsirairay avy amin’ny kandida hampidirina ao amin’ny CENI, ary ny 13 septambra izao no tokony harafitra. Tena hampisinda ny ahiahy sy hahafaha-misoroka ny mety ho krizy ve izany ?
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.