Tsy tanteraka omaly, araka ny fotoana efa voatondro, ny fitsarana ny adin’ny Ben’ny tanànan’i Betroka Renivohitra sy ny solombavambahoaka voafidy tao amin’io Distrika io. Araka ny fantatra dia nandraisan’ny minisitera mpiahy fepetra manokana nampiatoana amin’ny asany mandritra ny iray volana ilay Ben’ny tanàna ankehitriny noho izy voarohirohy amin’ity raharaham-pitsarana ity
Nodimandry tampoka ny alatsinainy teo anefa ny olona tokony hisolo vonjimaika ny toerany ka izany no voalaza fa nandraisan’ny mpitsara fanapahan-kevitra nampihemotra afaka iray volana indray ilay raharaham-pitsarana ho fandaminan-javatra. Marihina fa niitatra ny raharaha satria nahatafiditra anaran’olona ambony hafa ity raharaha ity noho ny filazan’ny mpitory fa nobaikon’ny mpitondra ambony ny fanapahan-kevitry ny fitsarana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.