Politique

Betroka Mamofompofona ady an-trano


  • Sabotsy 05 Septambra 2015

Io fa nitranga ny natahorana. Mitarika ady an-trano amin’ny samy Bara Zafindrendriko ny namonoan’ny tsy mataho-tody an’i Tsiharangy Retana, kandida Ben’ny tanàna ho an’ny Kaominina Ianakafy ao amin’ny Distrikan’i Betroka tamin’ny tapaky ny volana aogositra teo.

 


Raha ny vaovao farany voaray dia miady an-trano ny mponina ao amin’ny Kaominina Ianakafy, tanindrazan’ny depiote Randrinasolo Jean Nicolas, izay mpanohana ny antoko HVM. Nirahin’ny Depiote any an-toerana ny OMC ao Betroka handamina ny raharaha saingy malaina ny ho any an-toerana izy ireo. Na ireo mpitandro filaminana mampandry tany any aza dia mandà ihany koa. Raha ny vaovao voaray ihany koa dia ny Depiote Randrianasolo jean Nicolas sy ilay kandidan’ny HVM Fety Mana no takian’ny monina ao Ianakafy ho tonga any an-toerana hifanatrika amin’ireo vahoaka maimbo ra. Raha fehezina dia fofoin’izy ireo ny ain’izy mirahalahy ireo satria amin’ireto mponina any Ianakafy ireto dia tokony hanamarina ny tsy maha meloka azy amin’izao raharaha izao izy ireo.

Mandeha be ihany koa ny resaka fa nisy mpitondra niaro ilay olona izay namono nahafaty an’i Tsiharagny Retana izay efa tratra. Tsy azo samborina, hono, io fa efa dahalo niova fo. Tezitra tamin’izay ny vahoaka dia tsy nitondra ilay olona any amin’ny mpitandro ny filaminana intsony fa tonga dia namono nahafaty ilay mpamono olona tratra ihany koa. Mikorontana be, noho izany ny toe-draharaha ao Betroka ary tena lasa nangidy hoditra amin’ny vahoaka any an-toerana ny HVM. Tantara hitohy.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT