Politique

Berija Ravelomanantsoa Hametraka fitoriana fiandry


  • Talata 22 Mey 2018

Sesilany ny fanambarana ataon`ireo fikambanana sasantsasany milaza fa miaro ny firenena tsy hilatsaka ao anatin`ny krizy manoloana ny fandrahonana ataon`ireo depiote ho an`ny fanovana.

 Taorian`ny fanaterana ny tohan-kevitra fiarovana ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina napetraky ny mpisolovava teny amin’ny HCC dia voalaza fa nisy nikasi-tanana i Berija Ravelomanantsoa, izay fantatra fa miara-dia amin`ny antoko HVM.  ``Aza gaga raha tsy mandroso ny firenena fa nisy depiote nandrahona ny tenako sy ny rahalahiko tamina radio tsy miankina hoe hitanay ny tranonao ary ho hitanao fa ho avy izahay”, hoy i Berija Ravelomanantsoa. Manoloana ny resaka cocktail Molotov teny Ankatso. Mikasika ny fanipazana cocktail Molotov teny Ankatso indray, mpianatra no lazaina fa nanao azy izay saika hanaovana fizahana tany an-tranony saingy tsy nahazoana alalana. Noho izany dia hametraka fitoriana fiandry amin`ireo solombavambahoaka ho an`ny fanovana ny tenany. Tsiahivina fa ny zoma lasa teo ihany koa no nisy valo lahy indray nidaroka ny filohan’ny fikambanana Zah Gasy. Voatery namoaka basy ireo farany ary nitsoaka ny fito raha tavela kosa ny iray izay voasambotra teo an-toerana. Betsaka ny tsy faly amin’ity lehilahy ity noho ny fiarovany fatratra ny fitondrana tamin’ny fanehoan-keviny tamin’ny haino aman-jery. Andrasana, araka izany, izay ho tohin`ireo raharaha.


Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT