Notohizan’ny fanjakana ny fampiatoana ny Ben’ny tanànan’i Befandriana Avaratra Johah Parfait Prezaraly. Ny 15 janoary 2019 no tokony ho tapitra ny fampiatoana iray volana amin’ny asa maha Ben’ny tanàna azy,
kanefa dia namoahan’ny fanjakana didim-pitondrana vaovao nosoniavin’ny praiminisitra lehiben’ny governemanta, manitatra telo volana vaovao indray io fampiatoana azy amin’ny asany io. Tsara ny manamarika fa lany tamin’ny anaran’ny HVM izy ka na tsy tapitra aza ny fotoana mampiato azy amin’ny asany dia nihazakazahana ny fanitarana izany. Ny lefitra faharoan’ny Ben’ny tanàna no miandraikitra feno ny asany mandritra izany ary miantoka sy manara-maso ny fampiharana io didy io ny Prefen’Antsohihy sy ny Lehiben’ny distrikan’i Befandriana Avaratra. Ny 8 janoary teo, raha ny fampitam-baovao dia noresahin’ny Radio Fréquence Menabe (RFM) ao Morondava an’ny Depiote MAPAR Hawel Mamod’Ali fa hosoloina PDS izay Ben’ny tanàna tsy niara-dia tamin’izy ireo nampandany an’i Andry Rajoelina. Hizotra amin’ny fanamafisan-toerana ve i Andry Rajoelina, ka ireo tsy mpiara-dia dia hosoloina an-terisetra ? Voafidim-bahoaka tamin’ny fifidianana ara-demokratika ny ben’ny tanàna, ary mbola manana fe-potoam-piasana herintaona mahery eo satria tamin’ny taona 2015 ny fifidianana, ary amin’ny 2020 no tapitra. Misy ny sasany no efa manomboka misarizoro sy mitady lalana tsy fidiny any amin’ny MAPAR mba tsy hikitihana azy amin’ny toerany. Maro amin’izao no manahy ny mety ho antsojay hanoloana azy ireo noho ny safidy politikany tamin’ny fifidianana. Tena hiroso amin’izany sa hanitsakitsaka ny safidim-bahoaka ve ny fanjakana Rajoelina ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.