Politique

Ben’ny tanàna manerana ny nosy Zarain’ny fitondrana vola hiakatra eto Iarivo hamono afo


  • Alarobia 23 Mey 2018

Manoloana ny tolom-bahoaka mahery vaika eto amin’ny kianjan’ny 13 mey Antananarivo iarahana amin’ny mpiray tanindrazana manerana ny nosy tarihan’ny depioten’ny fanovana 79.

Efa akaiky ny fandresen’ny tolona ka sahiran-tsaina ny HVM mpitondra amoron-tevana tarihan-dRajao, hoy ny mpikatroka TIM solontenan’Atsimo Andrefana (Sazalahy Tsianihy Reg Tim Atsimo Andrefana, Velonasy Rémi Distim Beroroha, Azady Distim Morombe). Hampakarina aty Antananarivo ny ben’ny tanàna manerana ny nosy. Anisany ny ben’ny tanàna avy amin’ny Faritra Atsimo Andrefana izay tena manakiana mafy ny fitantanan-draharaham-panjakana tarihan-dRajao. Maro ireo ben’ny tanàna tsy mahaloa ny karaman’ireo mpiara-miasa aminy sy ireo mpiasany noho ny tsy fandoavan’ny fanjakana ny « subvention » fanome ny kaominina ara-dalàna fa hanaovana kolikoly avo lenta. Zaraim-bola ny ben’ny tanàna hiakatra aty Antananarivo amin’ny alakamisy 24 mey 2018 ho avy izao ary terena hitondra samboady amin’izany (manana solontena mijoro ho vavolombelona Atsimo Andrefana dia ny ben’ny tanànan’Ambahikely Morombe). Hiantohan’ny fanjakana ny saran-dalana mandroso sy miverina ary mbola hiantohana trano sy sakafo ihany koa mandritra ny hijanonan’izy ireo aty Antananarivo. Hampanaovina fety eny amin’ny kianjan’ny Colésium hanao inona ? Sa hanao veloma farany ny fialan-dRajao ve ? Sa hodarofana lakrimozena aty Antananarivo ka hanosoram-potaka ny mpitolona ety amin’ny 13 mey ? Miangavy anareo ben’ny tanàna tsy an-kanavaka manerana  ny nosy, hoy ireto solontena avy any Atsimo Andrefana ireto, indrindra fa ireo avy any amin’ny Faritanin’i Toliara ho malina sy hitandrina mafy fa tsy ny mpitondra amoron-tevana tarihan-dRajao sy ny forongony  no hametraka tantara maloto ho anareo. Tokony hitovy ny eritreritrareo manerana ny nosy hilaza fa tokony hametra-pialana ianao Rajao sy ny forongonao. MIALA !

Ntsoavina Evariste


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT