Fantatra izao fa anisan’ireo antoko handray anjara mavitrika amin’ireo fifidianana hitranga eto amin’ny firenena ny antoko MTS tarihan’ny minisitry ny fizahantany Roland Ratsiraka.
Io antony io indrindra no nahatonga ny fanatanterahana ilay kongresy teny amin’ny cercle des cheminots Antanimena ny faran’ny herinandro teo. Maro ny vaovao mifamahofaho, indrindra amin’izao toe-draharaha politika misavorovoro izao. Hita ho mihetsiketsika ry zareo MTS amin’ny alalan’ny fandaminana maro samihafa. Eo amin’izay indrindra no nahafantarana fa efa hatry ny ela no nametra-pialana ka tsy mpikambana tao amin’ity antoko ity intsony Atoa Benjamina Ramarcel Ramanantsoa, minisitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika misahana ny tetikasan’ny filoham-pirenena sy ny fanajariana ny tany ary ny fampitaovana. Fanamarihana tsy maintsy atao izao, hoy ny loharanom-baovao iray akaiky ity minisitra ity mba hisorohana ny tsy fifankahazoana na fifamadihan-dresaka.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.