Raikitra indray ny “Fihavanana tour” fanaon’ny Malagasy Tonga Saina “MTS” tarihin’i Roland Ratsiraka. Tao Ampanalana izy ireo omaly 03 mey, nanasa ny vahoakan’i Toamasina.
Omby iray isaky ny Boroborintany dimy sy rindran-kira nafanain’ireo mpanakanto zanak’i Toamasina izay niavaka ny fandraisan’anjaran’i Deenez sy Shyn, ary fifaninanana ara-panatanjahantena samihafa. Na tsy nilaza mivantana aza i Roland Ratsiraka dia hita taratra fa Rtoa Marcelle Ratsiraka, vadiny, no ho kandidan’ny MTS ao Toamasina I amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna ho avy eo. Milaza hiandry ny fanapahan-kevitra amin’ny fanemorana na fihazonana ny datim-pifidianana ny MTS vao tena hanambara ofisialy io kandidany io. Ankoatra izay, dia hita taratra nandritra ny lahateniny koa ny olana eo amin’i Roland Ratsiraka sy Sophie Ratsiraka. “Misy Ratsiraka roa hirotsaka eo, ka jereo ilay nigadra noho ny fitiavana an’i Toamasina”, hoy i Roland Ratsiraka. Rtoa Sophie Ratsiraka izay efa ao Toamasina tato ho ato ary re fa ho kandida Ben’ny tanàna ao Toamasina renivohitra ihany koa.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.