Politique

Ben’ny tanŕnan’Antananarivo “I Neny no antsika”


  • Zoma 10 Aprily 2015

Hanana kandida eto Antananarivo Renivohitra ny antoko Tiako i Madagasikara amin’ny fifidianana ho ben’ny tanŕna ary handahatra andrarezina dia Ramatoa Lalao Ravalomanana. I Neny no antsika hoy ny hoby sy horaka teny amin’ny Carlton omaly. Sitrapon’Andriamanitra

Niara-nitsangana  toa olon-tokana ireo olona an-jatony maro  tao amin’ny efitranon’ny « toit de Tana »  tao amin’ny Hotely Carlton omaly nitehaka  nanao ilay « standing ovation” raha nandre izany nandritra ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety nataon’Atoa Marc Ravalomanana  niara-dia tamin’ireo mpanotrona azy. Nambaran’ity filoham-pirenena teo aloha ity fa ho tanteraka izany raha sitrapon’Andriamanitra sy ankasitrahan-dramatoa vadiny izay mbola misahana  asa sarotra ihany koa anefa amin’ny maha filohan’ny filankevi-pitantanan’ny orinasa Tiko azy. Vonona ny Tiako I Madagasikara  hiatrika ny fifidianana ben’ny tanàna sy izay fifidianana rehetra manaraka eo, hoy i Marc Ravalomanana. Adidy masina  amin’ny fampandrosoana ny firenena izany araka ny nambarany ary io fampandrosoana io dia tsy maintsy miainga  avy  any ifotony, izany hoe ny kaominina tsirairay. Ao anatin’ny fitoniana sy filaminana no tokony hanaovana izany rehetra izany, hoy ity laharana voalohan’ny orinasa Tiko ity ary ny mpamatsy vola dia efa manana sora-bola hamatsiana ireo tetikasa fampandrosoana miainga eny anivon’ny kaominina.

Sahy

 Misy fepetra  tsy maintsy hajaina ihany anefa hahatongavana amin’izany dingana izany araka ny fanazavany satria tsy maintsy mahay miara-miasa amin’ny fitondrana foibe ny ben’ny tanàna vao mety ny asa fampandrosoana kasaina. “Eny,  miara-miasa na miarakaraka eo”, hoy izy somary nihomehy saingy takatry ny mpanatrika avy hatrany ny tiany hambara fa ny fiarahany miasa amin’ny fanjakana misy ankehitriny, hatreto aloha ! Nambarany ihany koa fa ho fanajana ny firosoana amin’ny fampihavanam-pirenena izay tarihin’ireo filoham-piangonana mivondrona ao amin’ny Ffkm no nampiatoana ny hetsika teny amin’ny Magro teny Behoririka, tsy misy tambiny io hoy izy. Nandritra ny lahateniny dia niantso filaminana sy fifanajana ary fiaraha-miasa ny tenany ho tombontsoan’ny vahoaka. Raha nanontanina kosa izy ny mikasika ny momba azy sy ny orinasany dia tsotra ny valin-teniny : “Miandry ny hivohan’ny Tiko  sy ny haino aman-jery Mbs ary ny gazety an-tsoratra “Le Quotidien” sy ny sisa aho ! “. Nambarany ihany koa fa mbola mitohy ny “Assignation à residence fixe” mihatra aminy sy ny  fanadihadiana mikasika ny fomba niverenany teto Madagasikara. “Ny  zavatra nangatahiko dia ny ahafahako miresaka amin’ny mpanao gazety  amin’ny maha mpitarika antoko ny tenako “, hoy izy nanipika tsara ary sahy miatrika izany aho satria tsy maintsy olona sahy mijoro izany mpanao politika izany.  Mikasika ny fifidianana ben’ny tanàna dia fantatra fa manana kandida 1 613 ny TIM eran’i Madagasikara.


Andry Ratovo   

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT