Politique

Ben’ny tanàna vaovao Mila manatanteraka ny hetahetam-bahoaka


  • Alatsinainy 21 Septambra 2015

Vao nivoaka ny zoma lasa teo ireo voka-pifidianana kaominaly teto amin’ny Faritanin’Antananarivo dia mba nanana ny heviny amin’izay handrasany amin’ireo ben’ny tanàna vao lany tamin’izany ireo olon-tsotra sendra ny Tia Tanindrazana.

 


Mme Antenaina avy eny Ambohitrimanjaka :

Raha ny fanantenana dia misy dia misy tokoa satria mino izahay, indrindra ho an’ireo ben’ny tanàna TIM izay lany, fa hitondra famerenana ireo tsara vitan’ny prezidà Ravalomanana izy ireo, satria ny antony dia izao : mahatsiaro mahantra, mahatsiaro  maloto, mahatsiaro fadiranova ary miaina ao anaty tebiteby ny vahoaka hatramin’izay. Ka mino izahay fa hanatanteraka ireo fampanantenaina natao ny ben’ny tanàna lany. Hamerina ny ao amin’ny kaominina Ambohitrimanjaka amin’ny filaminana aloha voalohany indrindra fa miaina anaty tebiteby ny tanora rehefa mody alinalina avy mianatra, ny jiro lasan’ny mpangalatra foana ny tariby. Mitebiteby satria Hitanay ary hiaraha-mahita fa miaina anaty fandraisana zava-mahadomelina ireo tanora eny an-toerana. Ka mino izahay fa hiezaka ny meranay amin’ny lafiny sosialy, ekonomia, ary  fahasalamana. Dia ohatra izay koa no antenainay amin’ny Meran’Antananarivo Renivohitra ka tsy handraraka ilo mby andoha amin’izany i Neny fa hijery tokoa ny vahoaka. Fantatray fa manampahaizana amin’izany Ravalomanana mianakavy ka mahatoky an’i Neny izahay mpifanerasera lava amin’ny aty an-drenivohitra.

SARY : Mme Antenaina Ambohitrimanjaka

 

Ralambotiana Wilson avy eny Atsimondrano

Zava-dehibe indray ny fisian’ny ben’ny tanàna lany eto Madagasikara fa efa nandritra ny 10 taona no nitondra  teo ny teo aloha, tamin’ny “mandat” iray farany dia tsy nofidiana izy ireo. Arahabaina izy ireo, manerana an’i Madagasikara mihitsy,  hitondra ny tanàna 4 taona manaraka.  Arahabaina sahirana koa anefa izy ireo satria mbola tena anaty fahasahiranana ny firenena ka raha tsy mbola misy famatsiam-bola dia ho sahirana tokoa ry zareo.  Ny zavatra tena andrasana amin’izy ireo dia ny hisian’ny tena fampandrosoana. Inona moa ny fampandrosoana andrasana fa  ny hetahetan’ny vahoaka hiantraika mivantana any amin’izy ireo, toy ny lalankely somary maizina tsy misy jiro, ny Epp, ny kianja filalaovan’ny tanora fanatanjahantena … Tena handrasana amin’ireo ben’ny tanàna vaovao izany. Eo koa ny fotodrafitrasa rano fisotro madio. Ho anay izao, raha ny eny Andranonahoatra Itaosy manokana, dia tsapa fa tsy ampy tsy lany ny rano, tsy ampy ny bassin fanasan-damba fa lavitra be amin’ny mponina ny misy azy. Ilaina koa ny tsena.  Tena antenaina amin-dry zareo  izany ny fananganana fotodrafitrasa vaovao raha ny marina.

 

Nangonin’i Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT