Politique

Ben’ny tanana Sabotsy Namehana Noesoriana fa tsy nety nanaraka ny sitrapon’ny filoha


  • Alatsinainy 13 Aprily 2015

Nitondra ireo ankizin’ny kaominina Sabotsy Namehana tany Mahajanga hiatrika ny lalao baolina kitra FC Dandjy ny ben’ny tanŕna Andriamosa Avotraina no nahare fa haato eo amin’ny toerany izy. Fanapahan-kevitra avy amin’ny minisitry ny atitany irery io nivoaka tampoka io izay tsy avy amin’ny filan-kevitry ny minisitra akory ary dia nihatra avy hatrany, hoy ity ben’ny tanŕna ity.

 

 

Tsy nahalala izay tena antony ingahy ben’ny tanàna fa ny taratasy milaza ny fampiatoana azy no voarain’ireo mpiara-miasa aminy. Araka ny fanavazana azo anefa dia nolazaina fa nanodinkodina vola tao amin’ny kaominina izay notantanany izy ka izay no antony nanesorana azy. Raha tsiahivina, anisan’ireo nanohana ny filoham-pirenena izy tamin’ny filatsahana filoha teo iny ary maro ireo fiaraha-miasa nataon’ny roa tonta teo aloha. Nambarany fa nandritra ny fandalovan’i Hery Rajaonarimampianina tao amin’ny kaominina Sabotsy Namehana nizaha ireo traboina dia tsy tonga nitsena azy ny tenany fa mbola nijery ireo vahoaka traboina ao amin’ny kaominina. Mety ho izay no antony nahatonga ny minisitry ny atitany namoaka ny fanapahan-kevitra fa manao tsinontsinona ny filoham-pirenena. Midika ve izany fa rehefa tsy manaraka ny sitrapon’ny mpitondra ny mpitantana sasany dia esorina eo amin’ny toerany ? Tsy mahagaga ity tranga niseho ity toy ny nahazo an’ny tale jeneralin’ny tahirim-bolam-panjakana izay nanda tsy hamoaka vola ka dia niafara tamin’ny fanesorana azy teo amin’ny toerany. Mety hiafara amin’ny fitokonan’ireo vahoaka eny an-toerana izao fanapahan-kevitra tsy mazava izao. Ho hita eo ny tohiny.

 


                                                                                                                                Tolin

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT