Politique

Ben’ny tanŕna nandalo teto Iarivo Samy nanana ny filazany mikasika ilay fampitam-baovao azony


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Nampanantsoin’ny filoham-pirenena teto Iarivo mba hiaka-dapa sy nampitana hafatra sy notolorana fitaovana hoenti-mampandroso ny kaominina misy azy ireo ben’ny tanŕna rehetra vao lany farany teo manerana ny nosy

, araka ny fomba efa zary mahazatra napetrak’i Marc Ravalomanana, fa ny soa fianatra hoy ny ntaolo. Samy nanana ny fahatsapany ny zava-nisy natolotra ireo ben’ny tanàna rehetra ka santionan’izany ireto ben’ny tanàna vitsivitsy natonina ireto tamin’ireo efa nitondra teo aloha sy ireo vao sambany tonga eto amin’ny toerana :

Rakotoarisoa Rigobert

Amin’ny maha efa ben’ny tanàna teo aloha azy dia tsy nisalasala ity Mera ity nilaza fa ekeny ny fanomezana fiofanana toy izay nisy teo ny ben’ny tanàna rehetra manerana ny nosy, ekeny koa ny fanoalorana fitaovana azy ireo saingy mbola mampametra-panontaniana azy ny amin’ny fametrahana ny lamina homena an’ireo ben’ny tanàna ireo toy ny amin’ny resaka fanomezana fanampiana ireo kaominina isanisany izany izay mbola hanjakan’ny resaka mahitahita mandrakizao. Mampiahiahy anay fa mety hifangaro ny INDDL na ny Intitut national de la decentralisation et du developpement local sy ny FDL na Fond de developpement Local efa nentina nampandroso ny kaominina hatramin’izay ka nety. Hatramin’izao mbola misy foana ny fampihorohoroana isan-kazarany mianjady amin’ireo ben’ny tanàna sasantsasany izay tsy eken’ny saiko ny fanaovana izany.

SARY : Rakotoarisoa Rigobert ben’ny tanànan’i Soavina Atsimondrano

 

Rado Ramparaoelina

Praograman’asa no nanadresena lahatra ireo vahoaka ka ho anay ny laharam-pahamehana dia ny fanabeazana sy ny fambolena no laharam-pahamehana ho anay, arahin’ny fandrehetana ny jiro sy fandriampahalemana. Mety ilay toromarika natao ho ahy fa ny olana dia ry zareo ao amin’ny “controle de légalité” aza samy manana ny fanazavany ny lalàna tahaka anay ben’ny tanàna rehetra tokony harindra. Misy “incoherence” koa eo amin’ny samy minisitera ka tokony harindran-dry zareo koa ny texte. Aleo mandeha eo ambony atody ny ben’ny tanàna rehefa mandeha ka ny hafatra hampitaiko amin’ireo ben’ny tanàna vaovao dia ny fifandraisana foana amin’ny vahoaka aza tapahina mihitsy, manaova fivoriana isam-bolana  tsy tapaka. Aza manaiky raviravian’olona vola ary asio “quittance” foana rehefa misy vola aloan’ny olona anaty kaominina. Izay vola miditra amin’ny kaominina ihany no ampiasaintsika ben’ny tanàna. Misy lalàna ny fifandraisana amin’ny mpanolotsaina.

Sary : Rado Ramparaoelina ben’ny tanànan’Ampitatafika

 

Dr Rambelosoa Naina

Ny tena fototra izany dia ny fanaovan’ny rehetra ny Plan communal de developpement azy manokana na plan local developpement-ny tsirairay. Ka ny fanaovana ny “etude marketing” an’iny planina iny  no tena mandany andro fa tsy maintsy himasoana fa zava-dehibe. Ilay toromarika nomena teo dia nazava amin’ny ankapobeny fa ilaina ny fanarahan-dalàna mba tsy hisian’ilay hoe kaominina lasa fanjakana anaty fanjakana. Fa ny fanapariaham-panjakana no arahin’ny kaominina tsara.  Izay ben’ny tanàna efa ela teo dia heveriko  fa efa manana traikefa nefa fotoanan’ny fanombohan’ny  fanovana zavatra izao “mandat” vaovao izao ka miara-miainga ny rehetra no tsara.

Sary : Dr Rambelosoa Naina ben’ny tanànan’i Masindray Avaradrano

 

Andriamanganoro Georges

Ny hafatra nampitaina taty Ivato tamin’ny ankapobeny dia nahafa-po. Miakina amin’ny fanatanterahan’ny rehetra azy ihany izany. Ho an’Ankadikely vavahadin’Avaradrano    dia antenaina ny hijerena sahady ny barazy  vaky tratran’ireny tondra-drano farany ireny fa toerana mamokatra iny faritra misy anay iny. Tena faly aloha niaka-dapa fa izahay amin’ny maha ben’ny tanàna vaovao anay, izao izahay vao miditra an-tsehatra dia nanao sambasamba tokoa tamin’izay roa andro izay.  Miresaka tsara ireo ben’ny tanàna rehetra, indrindra ireo efa teo taloha efa manana traikefa. Misy mihitsy ny fiaraha-miasa eo amin’ny rehetra ka mahafinaritra.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT