Politique

Ben’ny tanŕna kandida Hosoloina PDS avokoa ?


  • Alatsinainy 01 Jona 2015

Mikorontana tanteraka ny fiainam-pirenena eto Madagasikara. Vaky bantsilana ny ady eo amin’ireo andrim-panjakana roa samy voafidim-bahoaka

 

. Nametraka fitoriana fiampangana ny filohan’ny Repoblika ho nandika ny Lalàmpanorenana ireo solombavambahoakan’i Madagasikara mpikambana eo anivon’ny Antenimieram-pirenena. Nanambara ampahibemaso kosa ny filoham-pirenena nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ny mpanao gazety fa namofompofona kolikoly ny fomba nanatanterahana ny fifidianana fanonganana ny tenany. Efa eo am-pelatanan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana moa ankehitriny io raharaha mampifanolana ny fahefana mpanao lalàna sy fahefana mpanatanteraka io. Andrasana izay ho fanapahan-kevitra havoakan’ity rafitra manokana natao hitsara ny fandikan-dalàna nataon’ireo mpitondra fanjakana ity. Fa tranga iray hafa manitikitika ny sain’ny mpanara-baovao amin’izao fotoana izao ihany koa ny fanendrena filohan’ny delegasionina manokana hisolo toerana ireo ben’ny tanàna kandida. Fa vanim-potoana tahaka ny ahoana tokoa moa no ilaina ny fametrahana PDS hitantanana ny tanàna? Mangetaheta fanazavana mikasika izany ny olom-pirenena.

Ramano F.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT