Politique

Ben’ny tanŕna Hany sisa antenaina hampandroso an’i Madagasikara


  • Sabotsy 10 Oktobra 2015

Miandrandra fanovana sy fampandrosoana eny ifotony avy amin’ireo mpitantana ny kaominina ny vahoaka nifidy azy ireo, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vahoaka Miray, Gaby Vakiniadiana.

 

 Tsongaina manokana amin’izany ireo ben’ny tanàna Tiako i Madagasikara izay manana ny filoha teo aloha Ravalomanana Marc ao an-damosin’izy ireo amin’ny fanatanterahana ny Madagasikara Am-Perinasa kaominaly. Resy lahatra rahateo ity mpanao politika avy amin’ny vondron’ny mpanohitra ity fa tsy misy afa-tsy ny fampandrosoana miainga eny ifotony irery ihany sisa antenaina hamoaka an’i Madagasikara ao anatin’izao fahantrana lalim-paka mianjady amin’ny vahoaka izao. Mijanona ho haingon-databatra mpanao kobaka ambava mameno kibo sy paosy fotsiny mantsy ny mpitondra fanjakana foibe. Porofon’izany ny fiononana amin’ny asa tsy ahitam-bokatra toy ny 100 andro sy ny tsy mbola nanitsiana ny tetibolam-panjakana 2015. Enga anie ka tsy hanaraka ny dian’ireo solombavambahoakan’i Madagasikara sandaina vola sy tombontsoa mihoapampana ireo olom-boafidy kaominaly ka hikarama amin’ny resaka fifidianana senatorialy fotsiny fa tena hjery sy hisafidy ireo mendrika amin’izany  toeran’ny loholona izany ho tombontsoa iombonan’ny mpiray tanindrazana, hoy ny sekretera jeneralin’ny VAMI.

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT