Politique

Ben’ny tanàna Handray baiko politika amin’ny fitondrana ?


  • Alatsinainy 19 Oktobra 2015

Mila mampitovy tadin-dokanga amin’ny mpitondra fanjakana foibe ireo ben’ny tanàna vao voafidy mba ahafahana mifantoka amin’ny fampandrosoana marina, hoy ny praiminisitra Ravelonarivo Jean tamin’ireo ben’ny tanàna tonga teny Ivato ny sabotsy

 

 teo nandritra ny fanofanana azy ireo momba ireo lalàna izay mifehy ny fitsinjaram-pahefana eto Madagasikara. Mila mandray baiko politika amin’ny fitondrana foibe ihany koa ve izany ny ben’ny tanàna amin’ny fiatrehana ny fifidianana loholona amin’ny volana desambra ho avy izao ? Ankoatra izay  dia nanafatrafatra ihany koa ny minisitry ny fanajariana ny tany Rakotovao Rivo fa mba ho fanamorana ny asan’ny ben’ny tanàna ankehitriny no antony nitondrana ireny fanovana lalàna ireny. Indraindray mantsy dia  ireo lalàna efa lany andro indray matetika no zary lasa sakana amin’ny fanatanterahana ny  asa eny anivon’ny kaominina, hoy ny minisi-panjakana.

Andry Ratovo

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT