Politique

Ben’ny tanŕna 1 676 manerana ny nosy Hivory eny Iavoloha manomboka rahampitso


  • Alakamisy 15 Oktobra 2015

Nantsoin’ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina manokana ny zoma izao ireo ben’ny tanŕna miisa 1676 manerana ny nosy mba hihaona aminy sy hifankahafantatra bebe kokoa ary handray toromarika manokana mialoha ny tena hanombohan’izy ireo ny fotoam-piasany avy.

 

  Ny ampitson’io kosa dia hotolorana fitaovana avy amin’ny minisitera samihafa miaraka amin’ireo tahirin-kevitra hoentin’izy ireo miasa eny amin’ny CCI Ivato koa izy ireo ary homena fiofanana sahaza azy ireo koa.  Zava-dehibe izao fanasana ataon’ny filoham-pirenena ny ben’ny tanàna manerana ny nosy izao, hoy ny minisitry ny atitany Mahafaly Solonandrasana Olivier, fa tena manaporofo ny maha raiamandrenin’ny rehetra azy tokoa. Tsy ho avy hitsangantsangana tsy akory izy ireo, hoy izy, fa handray toromarika voalohany amin’ny filoham-pirenena sy handray fiofanana ihany koa. Ilaina izany, hoy ity minisitra tompon’andraikitra ity, tena zava-dehibe horaiketin’ny tantara izany. Tsy maintsy mandeha ny raharaham-pirenena ka tsy sakana ny mbola hamerenana ny fifidianana any amin’ireo kaominina vitsivitsy fa mandray ny anjara fiofanany rehefa voafidy soa aman-tsara eo.  Hetsika mifanandrify indrindra amin’ny andro afrikanina mikasika ny fitsinjaram-pahefana koa izy ity.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT