Politique

Belo Tsiribihina Mifampitory ireo kandida depiote


  • Alatsinainy 15 Septambra 2014

Ny zoma teo no voapetraka tetsy amin’ny Fitsarana manokana misahana ny fifidianana ny setrin’ny fitoriana fanalana an-daharana an-dRakotozanakolona Paul na Paul Karana, kandidà solombavambahoaka tany Belo Tsiribihina avy amin’ny fikambanana “Hiaraka Isika” nataon’ny kandidan’ny Arema, iray tamin’ireo mpifanadrina taminy.

Halatra soniana sora-piankohonana, fisandohana ho nanana bileta 12 efa voamarika mialoha, no anton’ny fitoriana. Ankoatra ireo dia teo ihany koa filazana fa mbola nandray ny asa amin’ny maha ben’ny tanàna azy ity kandida ity taorian’ny famindram-pahefana tamin’ny tompon’andraikitra voalohany mpanampy azy. “Fanendrikendrehana daholo izany”, hoy i Paul Karana. Nilaza ity farany fa efa nanana elanelam-bato 2.158 ny tenany niohatra tamin’io kandida nitory azy io tamin’ny fihodinana voalohany notanterahana ny 20 desambra 2013. Niakatra ho 3.263 ny elanelam-bato tamin’ny fihodinana faharoa farany teo, tamin’ireo birao fandatsaham-bato 156. Nilaza i Paul Karana fa manaiky izay voaka-pifidianana havoakan’ny CES eo.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT