Tsy levon’ny vavonin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny tenin’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao mikasika ny tany nisy ny Magro eo Ankorondrano ho tanin’ny Antenimieran’ny Varotra nefa idiran’itsy voalohany, sy fanazavany mikasika ny fomba nahazoan’ny Tiko ny fananan’ny Coroi sy Sinpa.
Tonga teny Ankorondrano nijery ny fandroson’ny asa fanadiovana ny Magro i Marc Ravalomanana mivady ny sabotsy teo, notronin’ny mpanara-dia azy sy mpiasa taloha tao amin’ny Tiko an-jatony. Nandritra izany no nilazany mazava fa nisy tokoa ny didim-pitsarana mikasika io tany io nivoaka tamin’ny 2009. Fantatra ny zava-nisy tamin’izany fotoana fa Fanjakana tsy mahefa no nijoro teto, ka aminy dia tsy manan-kery iny. Fa nahitsy koa ny teniny milaza fa te hifanatri-maso amin’ny minisi-panjakana Rivo Rakotovao izy hanaporofoan’ity farany aminy raha misy tany iray dingana namidiny izany teto. Hentitra ny tenin’ny filoha teo aloha nilaza mba handanjalanjana ny teny avoaka, indrindra amin’izao fotoan-tsarotra diavin’ny firenena izao. Nambarako tamin’ny filohan’ny Repoblika, hoy i Dada, fa rehefa tsy vahaolana ny olona manodidina anao dia olana.
Nandritra ity fotoana ity koa no nanamafisan’ny filoha teo aloha ny maha zava-dehibe ny hisian’ny fitoniana sy filaminana fa efa tena fadiranovana noho ny fahasahiranana ny Malagasy. Hitondra ny anjara birikiny amin’ny fanalana ny fahasahiranam-bahoaka ny vondron’orinasa Tiko tarihiny, nefa io anaovan’ny mpitondra sasantsasany sakantsakana io. Nilaza i Marc Ravalomanana fa hisy iraky ny SADC ho avy eto, taorian’ny dian’ireo mpanolotsain’ny filohan’ny Repoblika sy mpanolotsain’ny praiminisitra tany amin’izy ireo, hijery ny fampiharana ny voalazan’ny Tondrozotra ny amin’ny fanonerana ireo orinasa niharam-boina tamin’ny krizy 2009. Hisy iraky ny Tahirim-bola Iraisam-pirenena ihany koa ho avy eto, hamaritra ny filana ara-bolan’i Madagasikara.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.