Politique

Be galona manao politika Mamotika ny mpitandro ny filaminana


  • Sabotsy 05 Mey 2018

Voizina foana ny hoe tsy manao politika ny mpitandro ny filaminana saingy toa mandiso tanteraka izany ny zava-misy raha dinihina amin’ny miseho ankehitriny.

 Tsy natao hanenjehana na hanaratsiana fa toa efa diso fanapahan-kevitra sy avy manatanteraka baiko ara-politika vao miverin-dalana, raha halalinina ny zava-nisy teny Analakely nisian’ny ra latsaka sy faty olona ny 21 aprily. Nibaribary ny fampiasan-kery tamin’ny vahoaka tsy misy afa-tsy tanam-polo hoenti-miaro an-jambany ny fanjakana. Tsy azon’ireo be galona sy tompon’andraikitra voalohany natao ve ny nisoroka an’ireny nialoha ny fotoana ? Resaka fanatanterahana baiko politika avokoa no mety ho anton’ireny. Hatramin’ny Prefen’Antananarivo Jeneraly Ravelonarivo Christian Angelo aza taorian’ireny, dia vaky vava fa na izy nametra-pialana na nesorina taorian’ny zava-niseho, raha ny tokony ho izy. Anisan’ny mety efa mampikolay ny an-dakazeriny ny fanaovan’ireo be galona politika, ka tsy atao mahagaga raha nisy ohatra ny efa nanao fanambarana nandigana ireo lehibe, toy ny sendikan’ny inspektera teo anivon’ny polisim-pirenena. Na izany na tsy izany, efa dingana lehibe ny nihemorana tsy handray baiko hamono vahoaka, saingy mahalasa saina ihany ilay fampitandremana natao andro vitsy lasa izay.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT