Politique

Banky iraisam-pirenena Hanome fanazavana feno ho an’ireo depiote Malagasy


  • Alatsinainy 10 Novambra 2014

Nampanantena ny ho avy hanao famelaberan-kevitra manokana ho an’ireo solombavambahoaka malagasy sy hanome fanazavana feno amin’izy ireo mikasika ny maha-eto Madagasikara an’ity rafitra ity sy ny zavatra tena takiany ary ny vina ho ataony ho antsika eo amin’ny sehatry ny fanampiana hirosoana amin’ny fampandrosoam-pirenena ny Banky Iraisam-pirenena

. Tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’izy ireo teny Tsimbazaza tamin’ny faramparan’ny herinandro teo ka nitafatafan’izy ireo tamin’ny ampahany tamin’ireo ao anatin’ny birao maharitry ny Antenimiera notarihan’ny filohany Max Rakotomamonjy no nilazan’ny delegasion’ity rafitra iraisam-pirenena ity izay notarihan’ny tompon’andraikitra hoan’i Madagasikara sy Kaomoro, Rtoa Coralie Drivers izany. Nambaran’ny Kestora III, Guy Rivo Randrianarisoa nampita ny vaovao tamin’ny mpanao gazety fa nanambara ity tompon’andraikitry ny banky iraisam-pirenena mandalo eto amintsika ity fa manana ny maha-izy azy ny depiote ka tokony ho fanamby ahafahana mamerina ny tamberin’andraikitra any amin’ny vahoaka nifidy azy.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT