Politique

Baikon’ny praiminisitra Baraingo hatreto ny fahefana sy ny hoenti-manana


  • Alarobia 25 Febroary 2015

Mahavelom-bolo tokoa ny lahateny hentitra nataon’ny praiminisitra Ravelonarivo Jean ny faran’ny herinandro lasa teo, hoy i dokotera Randriamiarisoa Joseph. Anisan’ireo tsy resy lahatra amin’ny hahatanterahan’ny lehiben’ny governemanta ireo nambarany ampahibemaso ireo kosa anefa ny tenany. Marobe mantsy ireo sakana tsy ahafahany manatontosa izany

 

. Eo ny lafiny ara-politika amin’ny ankapobeny dia ny fandaharanasam-panjakana izay tsy tena mazava tanteraka toy ny fisian’ny PND sy ny PUP. Olana hafa iray ny rafi-panjakana mikorontana na tsy feno miaraka amin’ireo mpikambana ao amin’ny governemanta izay sady tsy vonona ny hiatrik’ady, araka ny filazan’ny filoham-pirenena azy, no tsy atokisan’ny vahoaka. Tsy manana ireo hery politika maro an’isa ao amin’ny rafitra mpanao lalàna rahateo ny fahefana mpanatanteraka ka tena sarotra ny fanapahana ho an’ny lehiben’ny governemanta. Raha tsorina dia baraingo hatreto ny fahefana feno sy ny hoenti-manana rehetra hanajan’ny praiminisitra ireo baiko hotanterahan’ny governemanta foibe sy ireo sampandraharaham-panjakana isan’ambaratongany, araka ny fahitan’ny dokotera Randriamiarisoa Joseph.

Ramano F.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT