Aza be zesta aloha !
So ihany fa nisy ilay fihaonana tany Etazonia mba hampisongadinan’ny mpitondra amin’izao fotoana ny tenany indray.Tsy misy marina aza moa mamorona mainka fa misy zavatra mba azo itarina ;nisora-tena ho mpitondra tenin’i Afrika iray manontolo ny filohampirenena malagasy tany Washington, nila ranondranony, nanambitamby ny Bekintana mba hampiasa vola aty afrika sy eto Madagasikara.Hafaliana tsy omby tratra ny an-dry zareo ao ambonimbony ao vantany vao nahafantatra fa voatendry ny masoivohon’i Etazonia vaovao eto amintsika.Aoka anefa tsy hisioka satria mbola tsy tafavoaky ny ala
…Fomba firesaka ara-diplaomatika ny an’ny vazaha, hainy io miresaka sy manome toky io, fa tsy dia tahaka izay loatra ny zava-misy tena izy.May volon-tratra amin’ny fihetsiketsehan’ny Sinoa sy ny Rosiana aty Afrika ny Amerikanina ka tsy maintsy niantso haingana ireo filoha Afrikanina.Politika iraisam-pirenena avo lenta io, inoana fa efa mba nahatakatra izany ny mpitondra antsika fa tsy nino fotsiny ihany ny fampanantenana tany Washington tany, ka hanao be lazao indray rehefa tonga eto an-tanindrazana ka hilaza hoe : fahombiazana tanteraka ny dia.Efa fomba fanao ihany mantsy izany endrika serasera izany hanakonana ny fandaniam-bola ataon’ny mpitondra fanjakana sy ireo mpanara-dia azy rehefa mivahiny maharitra any ivelany tahaka izao. Ho an’i Madagasikara manokana dia aoka hifantsika any an-tsain’ny tsirairay tsara fa mbola misy ny fepetra apetrak’i Etazonia ho fanohiazana ny fiaraha-miasa dia eo aloha ny :fanatanterahana ny andininy rehetra ao anatin’ tondrozotra, tsy maintsy avela mody ireo sesitany politika, tanterahana ny fampihavanam-pirenan tena izy.Fa eo ihany koa ny fanajàna ny fahafahana maneho hevitra, ary indrindra fa ny fanajana ny fahalalahan’ny asa fanaovan-gazety.Rehefa milamina ireo vao misosa ny fiaraha-miasa, ka rehefa tsy mbola milamina aloha ireo dia aza be zesta e !
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.