Politique

Augustin Andriamananoro Minisitry ny jono sa minisitry ny IEM ?


  • Alatsinainy 24 Septambra 2018

Voararan’ny lalàmpanorenana araka ny andininy faha-46 tapany faha-3 ny fidirana an-tsehatry ny olom-panjakana ambony manana andraikitra ao anaty andrim-panjakana.

 Mahagaga anefa ny fihetsiky ny minisitry ny jono Augistin Andriamananoro avy amin’ny MAPAR. Miseho masoandro sy mavitrika ao anatin’ny fivoizan-dRajoelina, lehibeny ny vina IEM izay fitaovana iray hoenti-mandresy lahatra ny olona hifidy ny filohan’ny tetezamita teo aloha, izany hoe karazana propagandy ny zavatra sy hetsika mifandraika amin’izany, toy ny fitokanan-javatra ny ambara fa tetikasa filamatra ho an’ny vina IEM ny sabotsy 22 septambra teo. Inona no ataon’ity minisitra misahana ny jono ity any amin’ny tanimenan’i Soamahamanina ? Tsy efa naman’ny propagandy ataony ho an’ny kandidan’izy ireo ve izao ? Ny praiminisitra moa tsy miteny, ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana tsy taitra, ny CENI toa tsy afa-manoatra ka toa mandeha ho azy sy tsy voarara ihany angamba ny fanaovan’ny olom-panjakana tahaka izao propangandy mialoha ny fotoana. Sa kosa asiana zanak’Ikalahafa ity raharaha ity ? Miketriketrika any Soamahamanina indray i Andry Rajoelina sy ny ekipany, izay tsikaritra ho tsy manao zavatra tsy misy tombontsoany. Efa nisy, ohatra, ny sehoseho ivelany tamin’ny hoe hanamboatra ny lalan’Ambilobe tany ho amin’ny volana febroary tany, fotoana fohy taorian’ny nifidianana an’i Mialy Rajoelina ho mpitantana ny PAESFA « Pan African Ethanol Stoves and Fuel Alliance », izay mikasika ny fikirakirana ny « Ethanol », ka isan’ny toerana be fary hahafahana mamokatra izany any Ambilobe. Fifanandrifian-javatra sa fanomanana bizina no saika hatao ? Toerana be volamena, ary efa niteraka gidragidra ny fitrandrahana ao Soamahamanina ka manomboka miketrika ao ve dia mba hotakotakomana amin’ny fananganana tetikasa filamatra ho an’ny vina IEM ? Tany novidian-dRajoelina sy ny ekipany ve ity sa nomen’ny fanjakana ? Nifanarahana tamin’ny vahoaka sa natao amboletra ?

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT