Voadaka am-bavafo nosoloina nandritra ny filankevitry ny minisitra afak’ omaly ny lehiben’ny faritra Atsimo Andrefana teo aloha, dia ny Jeneraly Robert, ka ny Médecin Lieutenant-Colonel Zafitasondry indray manomboka izao no hitantana ny faritra ka miandradra azy ny vahoaka mba tsy hiroro intsony Toliara.
Raha ny nambarana tompon’andraikitra ambony iray tsy tononina anarana sy andraikitra eto, tokony efa ela ity manamboninahitra jeneraly ity noesorina tamin’ny toerany, satria tsy nahavaha olana ary tsy nahafa-po tsy namaly ny filana sy masosivana napetrany ny fomba fitantanany, indrindra taorian’ny fandalovan’ny filoham-pirenena tany an-toerana izay tsy nasian’ny mponina sirany, na dia nanentana mafy tao amin’ny haino aman-jerim-panjakana mba ho tonga maro hanotrona ingahy lehiben’ny faritra. Raha ny loharanom-baovao samihafa tetsy sy teroa nandritra ny angom-baovao dia betsaka tamin’ny vahoaka no faly raha vao nandre fa noesorina tamin’ny toeran’ny ny lehiben’ny faritra. Miandradra fijery vaovao amin’ity mpitsabo miaramila ity ny vahoaka, mba tsy hiroro intsony Toliara fefiky ny krizy sosialy.
Eric R.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.