Ny alarobia 22 novambra teo tao an-tokantranon’Atoa Roland Ratsiraka, nanao fihaonana tamin’ireo mpiara-dia taminy eo anivon’ny Malagasy Tonga Saina (MTS) ny tenany,
izay nialohavan’ny fihaonany tamin’ny mpanao gazety nilazany ny raharaha politika sy ny fifidianana farany teo ary ny voka-pifidianana azony nandritra izany tamin’ny naha-kandida laharana faha-33 nisy azy. Raha ny nambarany dia hiala sasatra amin’ny fanaovana politika Atoa Roland Ratsiraka taorian’ny vokatra azony ara-pifidianana. Ireo mpanohana azy kosa mangataka aminy ny hiverenany ifotony amin’ny fanamafisana ny antoko sy amin’ny fifidianana ifotony. Nohararaotin’Atoa Roland Ratsiraka ny nanao antso avo ny vahoaka Malagasy mba tsy hisy ny asa fanakorontanana sy ny asa fihantsiana amin’ny fanoherana ny voka-pifidianana havoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana. Tsy adinon’Atoa Roland Ratsiraka koa ny nanao antso avo ho an’ireo kandida roa lahy, Ravalomanana sy Rajoelina, voalohany tamin’ity fifidianana farany teo ity, mba tsy hitarika ny mpomba azy ireo avy hanohitra ny voka-pifidianana izay hivoaka eo, sy hanaiky ny valim-pifidianana, ary efa mivonona sy hifanaja mandritra ny fihodinana faharoa. Nanamarika anefa izy fa iny no tena fifidianana nahitana lesoka be indrindra tamin’ny fanomanana sy fikarakarana ary fandrindrana azy teto amintsika hatramin’izay.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.