Fitokonana sendikaly, fitakiana ara-tsosialy, hetsika ho fiarovana tombontsoam-pirenena sy nampanantenaina tsy mety azo. Ireo raha atao indray mijery ny zava-misy ankehitriny. Samy manana ny fomba fahitany ny toe-java-misy ny rehetra, ka anisan’ny naneho ny heviny Atoa Mahavimbina Alain, filoham-boninahitry ny antoko politika GAR na Gasikara Antsika Rehetra…
Tia Tanindrazana (TT) : Amin’ny maha mpitarika politika anao Atoa Mahavimbina Alain, midika inona izao hetsika sy fitokonana misy ankehitriny ireo ?
Atoa Mahavimbina Alain (Atoa MA) : Tsy misy zavatra tongatonga ho azy fa misy antony ao matoa misy izany, ny vy ihany koa tsy mikitrana irery. Raha jerena tsara ny zava-misy dia fitakiana sendikaly sy ara-tsosialy ary fanavotam-pirenena no misy. Ny politika mantsy tsy tia zavatra foana tahaka ny natiora ihany. Ireo sendika sy vahoaka ary mpiasa ireo koa tsy hitaky zavatra tsy ho fantany fa tsy ho azony. Hain’izy ireo tsara fa avy niala krizy ny firenena saingy matoa izy ireo no mihetsika dia tsapany, fa tsy mihetsika mihitsy ilay fampandrosoana andrasany amin’ny fanjakana, mahita aza izy ireo fa fihemorana no misy taorian’ny nidirana tao anatin’ny repoblika faha-04. Izay no mahatonga azy ireo manenjika ny mpitondrany satria ilay toky natao tsy mbola misy tanteraka ary tsy hita soritra ny fiaingany hatramin’izao. Mino aho fa mahatsapa izany ny fanjakana, saingy eo amin’ilay finiavana hanao izany no mbola lesoka, noho ny politika mahazo laka be loatra ka tampina ireo teknisianina ilaina amin’ny asa atao.
TT : inona no ilazanao fa ilay finiavana mihitsy no lesoka amin’ny mpitondra, dia inona no andraikitrareo teknisianina ao anatin’izao zava-misy izao ?
Atoa MA: mahatsapa an’io ny rehetra matoa misy izao zava-misy iainan’ny firenena enim-bolana nidirana amin’ny repoblika faha-04 izao. Koa averiko ihany, io finiavana politika io ihany no mamaha izao olana maro be izao, fa raha mihevitra ny mpitondra fa ny fampiasana mpitandro ny filaminana sy fampiasan-kery no atao eo dia mety hitarika toe-javatra hafa indray ny raharaha, ka tokony hahay haka lesona tamin’ireo zava-nisy tany aloha ny mpitondra. Tokony ho fantatry ny mpitondra koa fa tsy mitovy ny manampahaizana sy ny manam-pahalalana ary mety tsy hiaraka ireo nefa io ihany koa no olana misy eto amintsika izao. Raha ho an’ireo teknisiana kosa, tsy afaka andray andraikitra izy ireo noho ny tsy fiantsoana azy amin’ny asa tokony hataony. Maro anefa ny teknisianina manam-pahalalana sy manampahaizana any ivelany any miandry ny fiantsoana azy fotsiny, hitondra ny traikefany sy fahaizany ary ny fahalalany hampandrosoana ny firenena nefa tampin’ny mpanao politika sy “tandapa” mpidongy seza izy ireo ka lasa mpitazana tahaka ny vahoaka Malagasy ihany koa…
TT : inona ary Atoa Mahavimbina Alain ny vahaolana maika momba izao raharaham-pirenena manomboka mangotraka izao ?
Atoa MA : omeo ny teknisianina ny asa tokony horaisiny, omeo ny governemanta sy ny praiminisitra ny adidiny, mahaiza ny filoha ho mpandrindra fa tsy ho mpanatanteraka, ary omeo ny mpanao politika ny tokony ho anjara asany. Haveriko ihany fa ny politika tsy tia zavatra foana toy ny natiora, koa raha tsy misy ny fihetsehan’ny fandrosoana eto dia hitranga ny fihetsehana sy fitakiana sendikaly tahaka izao. Raha nametrahan’ny vahoaka fitokisana ny mpitondra mitantana fanjakana dia raiso ny adidy ary omeo ny vahoaka izay ho an’ny vahoaka, ary mahaiza koa mitaky ny anjaran’ny vahoaka tokony homeny ny fireneny. Toy ny bisikileta ny fitantanana ny firenena, ka raha tsy hihetsika na mitavozavoza na mahay mekanika nefa tsy mahay mitondra azy, dia aza gaga fa hidaraboka ho azy eo…
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.