Mifandrirotra tanteraka ny andrim-panjakana roa voafidim-bahoaka eto amintsika ankehitriny dia ny prezidansa sy ny solombavambahoaka. Rehefa mifanasa vangy amin’ny haino aman-jery samihafa ny roa tonta dia samy manizingizina fa samy manana ny tena marina sy manaraka ny ara-dalàna, samy manaja ny hetahetan’ny vahoaka nifidy azy avokoa.
Nohitrikitrihan’ny an-kilany fa manitsakitsaka miverimberina ny lalàmpanorenan’ny Repoblika faha-4 tao anatin’ny herintaona ny filoha Hery Rajaonarimampianina, dia mitombo isan’andro ny isan’ireo solombavambahoaka manatevin-daharana ireo namany 121 nanao sonia ny “motion de décheance” izay efa voarain’ny HCC tamin’ny herinandro lasa teo. Mahatsapa izy ireo fa zava-dehibe ny firaisankina eo amin’ny samy olom-boafidy. Anisan’izany ny filoha lefitry ny Antenimera Faritany Toliara, Atoa Helson Brisson Erafa na Jubé izay nanamafy fa misy tokoa ny tsy fandehanan-javatra eto amin’ny firenena vokatr’io fanitsakitsahan’ny filoham-pirenena miverimberina ny lalàmpanorenana io. Amin'izy ireo dia tsy fankahalana olona no nahatonga azy hanohana ireo namany, fa ny fahitany, fa raha mbola ekena foana izao endri-javatra misy izao dia hitondra ny firenena any amin'ny korontana tsy hay vinaniana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.