Mahitsy ny fijerin’Atoa Ibisa mikasika ny toe-draharaham-pirenena ankehitriny.
Sempotry ny krizy ny Malagasy vokatry ny fahaverezana asa sy ny disadisa politika tsy misy fiafarany. Nametraka zavatra tsara teto amin’ny firenena ny filoha Marc Ravalomanana ka tokony homena fahafahana hanohy izay asa tsara vitany izay. Betsaka ny Malagasy tsy an’asa vokatry ny fanonganam-panjakana sy ny krizy lavareny eto amin’ny firenena. Ravalo no vahaolana amin’izao fahantrana mianjady amin’ny vahoaka malagasy izao, araka ny fijerin’Atoa Ibisa azy. Raha ampitahaina ny zava-bitan’ireo mpitondra nifandimby, hoy izy, misongadina ny zavatra nataon’ny filoha Ravalomanana tao anatin’ny fito taona. Avoahy izy ho eny Faravohitra hanatsara ny sosialim-bahoaka fa tsy gadraina ao Antsiranana kanefa ny mpitondra tsy mahita vahaolana amin’ny fahoriam-bahoaka. Aminy, fahadisoana ny an’ny mpitondra tsy mamela ny filoha Marc Ravalomanana handray anjara amin’ny asa fampandrosoana. Malagasy maro no efa velom-panantenana tamin’ny fahatongavany teto, kinanjo indrisy niserana ihany izany. Avoahy izy hanome asa ny Malagasy fa izay ihany no antoka hampiarina ny toekarentsika izay latsaka an-katerena.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.