Politique

Atallah Béatrice Mangataka ny hamotsorana an’i Goulam Razaali


  • Zoma 06 Febroary 2015

Nanao antso avo miantefa amin’ireo mpaka ankeriny ny minisitry ny raharaham-bahiny Atallah Béatrice, omaly, mangataka ny mba hamotsorana ilay mpandraharaha teratany Karana sady “Consul honoraire” an’i Korea Atsimo eto Madagasikara, Goulam Razaali

 

. Nisy naka an-keriny teny Ivandry ny alin’ny zoma 30 janoary 2015 ity farany raha hamonjy fodiana. Olona manome asa ny mpiray tanindrazana io ary tsy mahatsara ny firenena izao fitanana an-keriny izao, hoy ramatoa minisitra, izay nanamafy fa mandray an-tanana ny raharaha ny fanjakana Malagasy satria tsy mety raha herisetra no handotoana an’i Madagasikara. Mpandraharaha eo amin’ny fivarotana kojakoja momba ny taotrano tompon’ny orinasa Bricoland sy varotra fiara vita Koreanina tatsimo, marika KIA sahanin’ny orinasa Malgamobile ity nisy naka ankeriny ity, ary faramparany teo dia hita ao amin’ny sehatry ny angovo ihany koa. Efa nisy naka ankeriny izy tamin’ny 11 oktobra 2012, saingy tsy naharitra dia navotsotr’ireo mpaka an-keriny rehefa nisy fifampiraharahana teo amin’ny an-daniny sy ny an-kilany.

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT