Mifototra amin’ny fampandrosoana ara-toekarena miaraka amin’ny lafiny ara-politika mba hiantraika amin’ny fiainam-bahoaka ny diplaomasia Malagasy, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny Atallah Béatrice. Andraikitra voalohany niandry azy avy hatrany ny fanatrehany ny fihaonana an-tampon’ny Vondrona afrikanina notanterahana tao Addis-Abeba ny faran’ny herinandro lasa teo
. Nisongadina tamin’ny diany tany Etiopia niaraka tamin’ny delegasiona Malagasy notarihan’ny filoham-pirenena ny fifampidinihana teo amin’ireo firenena nosy didinin’ny ranomasina ny hijerena manokana ilay antsoina hoe «Economie Bleue» izay hiandrasana manampahaizana tsy ho ela. Miompana amin’ny fampiasana ny ranomasina ho fifandraisana amin’izao tontolo izao ity toekarena manga ity, raha ny fanazavan-dramatoa minisitra. Andraikitra iray hafa natrehiny teny Anosy toeram-piasany omaly ihany koa taorian’ny fifamindram-pahefana ny fanomanana ny dinika politika eo amin’ny Vondrona eoropeanina sy i Madagasikara hanomboka ny zoma ho avy izao ka nandraisany ny masoivoho lehiben’ny delegasiona Antonio Sanchez-Benedito Gaspar. Hanao fanadihadiana momba ireo masoivohontsika any ivelany mialoha ny fanendrena ireo ambasadaoro moa ny eo anivon’ny Raharaham-bahiny, araka ny nambaran’ny minisitra.
Ramano F.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.