Mivoaka ny resaka ankehitriny fa hokotrehina hararaka amin’ny alalan’ny hala-bato sy ny kajikajy maloto samihafa ny kandida Marc Ravalomanana laharana faha-25 satria atahorana mafy.
Saika izay toerana alehany rakotra vahoaka avokoa, ary tena faharesen-dahatra fa tsy tambazan-javatra na vola toy ny fanaon’ny sasany, ary ny olona aza no miala vola sy manana finiavana hanampy amin’ny endriny maro samihafa, toy ny fanamboarana ireny t-shirt ireny. Raha ao anaty rafi-panjakana, dia tsy mba anisan’ny voasokajy ho manana olona afaka hanao tsindry bokotra amin’ireo andrim-panjakana misahana sy mikarakara ankolaka na mivantana amin’ny fifidianana fa tena mandeha amin’ny lalao madio. Misy ny zavatra mampiahiahy raha tarafina amin’ny resaka lisitra, ny fampiasana volabe ataon’ny kandida iray,… Tsy tongatonga ho azy io resaka fampiasana volabe io, ary misy resaka mivoaka hatramin’ny hoe : hovidiana vola ny tompon’andraikitra ao anaty birao fandatsaham-bato. Na ilay resaka fanabontsinana isan’ny mpifidy ka hisian’ny lisitra matoatoa 2 064 331 araka ny loharanom-baovao iray aza dia tena tsy mazava ka hosoratana amin’ny alalan’ny kandida iza izany ? Miteraka adihevitra ny mikasika ny birao fandatsaham-bato, izay avoakan’ny fanadihadiana akaiky ny kandida sasany ihany koa fa tena misy ny birao fandatsaham-bato matoatoa. Toa misy kandida omena tombondahiny manokana eto, ka na manao fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana tsy misy olana, mampiasa volabe tsy misy resaka, mizara zavatra toy ilay tetsy Mahamasina tamin’ny 1 aogositra tsy maninona, minisitra avy amin’ny antokony mizara zavatra amin’ny anaran’ny antokony izay miendrika propagandy, ary mampiasa fiaram-panjakana jerem-potsiny,… Nandeha ny karazana fitoriana samihafa tena amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na ny HCC, izay telo sosona raha kely indrindra momba ny kandida iray, fa tsy misy azo raisina avokoa ny fitoriana. Nandeha ny fitoriana nataon’ny kandida maro momba ny lesoka samihafa fa tsy mahafeno fepetra, hoy ny HCC. Tsy efa taratra ny ho avy ve izany hoe na hita aza ny lesoka, dia tsy hisy fitoriana tena horaisina ao satria ambara fa tsy mahafeno ny fepetra ny mpitory ? Anjaran’ny vahoaka no mailo sy miaro ny safidiny ao anatin’ny mety ho fikotrehana fanodinkodinana safidim-bahoaka, ary tsy ny kandida Marc Ravalomanana irery izay tena atahorana mafy no ho lasibatra amin’ny mety ho teti-dratsy fa ny vahoaka Malagasy manontolo, ka ny rehetra no mila mandray ny andraikitra tandrify azy avy.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.