Nifoha tamin'ny torimasony ka nanatanteraka fivoriambe tetsy amin’ny kianja mitafon’i Besarety tamin’ny zoma teo ny fikambanana AEM na ny Association des Ex-Militaires (Ireo nahavita fanompoam-pirenena « légal » na ireo voaroaka noho ny antony samihafa na ireo efa misotro ronono ihany koa.
Nitarika azy ireo tamin’izany ny filoha am-perisana, Rakotonirina Joseph, sy ireo mpikambana sasantsasany tamin’ireo birao teo aloha. Nialoha ny fieritreretana ny hanoloana ny birao izay efa lany « mandat » dia notsiahivin’ireo nitarika ny fivoriana fa tamin’ny taona 2010 no niforona ny fikambanana ary nahazo « récepisé » tamin’ny 12 aprily taona 2011. Efa tafaresaka tamin’ny tompon’andraikitra eo anivon’ny tafika malagasy ny fikambanana tamin’ny taon-dasa ka nahatonga ny fandraisana ireo ex- tena vonona hanao « rengagement » ary mbola hotohizina amin’ity taona ity izany. Misy koa anefa ny tetikasa hanomezana asa an'ireo mbola matanjaka latsaky ny 48 taona hanao asana sécurité ao amin'ny orinasa EMS sy ny MF PRO. Hisy kosa manomboka eto ny fijerena ny sosialin'ireo efa misotro ronono sy ny vady aman-janaky ny mpikambana. Fantatra fa manodidina ny 3 000 any ho any ankehitriny ny mpikambana AEM voaisa. Voalaza fa tsy manao politika ny fikambanana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.