Politique

Asaramanitra 2015 Hasaina eny Iavoloha i Dada ?


  • Talata 30 Desambra 2014

Hotanterahina amin’ny zoma 9 janoary 2015, raha tsy misy fiovana amin’ny ora farany, ny fifampiarahaban’ny andrim-panjakana noho ny Asaramanitra. Hafakely ny amin’ity ! Andaniny dia io no Asaramanitra voalohany

hotarihin’ny filoha amperinasa, hanaovany jery todika ny taona 2014 sy hampahalalany ny vahoaka ny vina ho an’ny taona 2015. Ankilany indray dia nilatsaka ao anelanelan’ny fotoana efa voafaritra mialoha fa hihaonan’ireo filoha dimy tonta nifandimby nitondra an’i Madagasikara : Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampinina ny andro hanatanterahana azy. Araka izany dia fotoana hitsarana indray an’i Hery Rajaonarimampinina raha vonona hiroso lalina amin’ny tena fampihavanam-pirenena io Asaramanitra io. Hanasa ireo filoha efa-dahy ho eny Iavoloha miaraka amin’ireo lehiben’ny andrim-panjakana sy olona nasiana ve ny filoha amin’io ? Raha eny, ho avy koa ve izy efa-dahy ? Raha ny lojikan’ny tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena 26 jona 2014 aloha dia tsy ho nofinofy izany. Nasaina ary nandefasana fanasana teny Faravohitra ny filoha Marc Ravalomanana. Voaray soa amantsara teny izany ary nasehon’i Me Hanitra Razafimanantsoa ho hitan’ny mpanao gazety. Mbola tany Afrika Atsimo anefa ny filoha Marc Ravalomanana. Nankasitraka ny fanasana azy ity farany tamin’izay. Eto Madagasikara ny filoha Marc Ravalomanana, ary efa eo Faravohitra misy ny trano fonenany. Ho avy eny ary ve ny fanasana azy amin’izao Asaramanitra izao, toy ny an’ireo filoha telo aloha hafa ? Raha izay mantsy no izy, dia hihaona mialohan’ilay fotoana amin’ny 13 janoary 2015 hiarahana amin’ny FFKM eny Ivato indray izany izy dimy lahy, ary ho vavolombelon’izany ireo olona nasaina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT