Politique

Asan’ny CENIT


  • Alatsinainy 24 Aogositra 2015

Lesoka ny tsy fananana fahefana famaizana Hitsangana mialoha ny fifidianana ireo mpikambana eo anivon’ny Antenimierandoholona ny Ceni vaovao, hoy ny filoham-pirenena ny faran’ny herinandro teo tany Arivonimamo.


 

 Efa nanomboka ny zoma lasa teo rahateo ny fanangonan-kevitra avy amin’ireo mpisehatra eo anivon’ny fiarahamonim-pirenena entina hananganana ilay rafitra vaovao hisolo ny Cenit. Tsapa ho nifototra fotsiny tamin’ny fanazavana ireo lalàna ny andraikitra nosahanin’ity Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana nandritra ny fotoana tetezamita ity ka nahatonga ireo kiana mavaivay maro samihafa. Lesoka lehibe ny tsy nananan’ireo mpikambana tao amin’ny Cenit ny fahefana famaizana, araka ny fanamarihana nisongadina avy amin’ireo solontenan’ny firaisamonim-pirenena nandray anjara tamin’ny atrikasa. Anisan’ny soso-kevitr’ireo mpizaika moa ny fampitomboana ny fahefan’ny Ceni vaovao ka tafiditra ao anatin’izany ny fahazoan-dalana manasazy ireo mihoa-pefy sy tsy mpanara-dalàna.

Ramano F.


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT