Na dia nafana izay tsy izy aza ny adihevitra dia nolanian’ireo solombavambahoaka nanatrika ny asam-baomiera omaly talata ihany fa tsy niandrasana ny anio alarobia araka ny voafaritry ny fandaharam-potoana ilay volavolan-dalŕna mikasika ny fananganana ny CENI na ny vaomieram-pirenena mahaleotena hisahana ny fifidianana manaraka eto amintsika hanoloana ny CENI-T teo aloha
. Na izany aza dia fantatra kosa fa voatsipak’ireo depiote tao amin’ity asam-baomiera ity ny hampidirana mpanao politika ao anatin’ny rafitra maharitra ao amin’ity CENI ity. Nahitsy ihany koa ny filazana fa saziana ny fahadisoana atao amin’ny fiatrehana fifidianana. Mbola hoentina ho laniana eo anivon’ny fivoriana hitambaram-be moa izany rehetra izany mialohan’ny hamaranana ny fivoriana tsy ara-potoana natrehana.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.