Politique

Asa soa sy fampielezan-kevitra Miditra an-tsehatra i Josoa Ravalomanana


  • Alarobia 12 Desambra 2018

Sady manao fampielezan-kevitra no misolo tena ny rainy amina asa soa i Josoa Ravalomanana zanaka lahimatoan’ny kandida Marc Ravalomanana no manohy ny fampielezan-kevitra hampandaniana ny laharana 25.

 

 

 

 Manampy sy manohana ny madinika i Josoa Ravalomanana, ary tsy mikely soroka manampy ny rainy amin’izao ady hatrehiny handray indray ny toeran’ny filoham-pirenena izao, hanohy sy hanarina ny nopotehina ary hampiasa ny fara-fahaizany hampandroso ny firenena Malagasy. Omaly ary dia ireny seza misy kodiarana ireny na "Fauteuils roulants" sy "béquilles" entina hanampiana ireo olona manana fahasembanana no natolotry ny Filoha Ravalomanana Marc tamin'ny alalan'ny vondrona olon-tsotra "Arovako 25" sy Josoa Ravalomanana teny Behoririka. Ny fampielezan-kevitra vita, ny asa soa sy fanasoavana ny Malagasy mila izany mandeha ihany. Efa hatramin’izay ny fianankaviana Ravalomanana no nanao izay ho afany tamin’ny fanampiana ny Malagasy, ary izy ireo rehefa manao zavatra dia tsy manangana ho fihariana fotsiny, fa ho an’ny mpiara-belona mihitsy, tahaka ny Orinasa Tiko iveloman’ny Malagasy an’aliny sy jifain’ny ankamaroan’ny Malagasy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT