Anisan’ireo tanora tonga nampiseho ny firaisankina tanteraka tamin’ny tanora TIM manerana ny Nosy izay nahatonga solontena avokoa tamin’ny asa fanadiovana ny Tiko Tanjombato tamin’ny sabotsy teo ny tanora TIM Boriborintany faha-5 notarihan-dRabetsialisoa Ninà sy ny namany. Tena fampihavanana ifotony no natao tety Tanjombato, hoy izy,
ary nibaribary tetoana fa tena matanjaka ary miray hina fatratra ny tanora TIM na avy aiza na avy aiza fiaviany. Tsy nisalasala mihitsy izahay nanampy an’i Dada sy Neny tamin’ny antso nataony, hoy ity mpitarika tanora ity, ary miantso ny tanora rehetra tahaka anay mba hiroso amin’ny asa mivaingana hoentina hampandrosoana an’ity Madagasikara iombonana ity. Manao antso avo amin’ireo raiamandreny rehetra tsy an-kanavaka eto amin’ny firenena koa mba hitsinjo manokana anay tanora ka hibanjina ny asa sahaza ny tsirairay avy ho enti-mihetsika amin’izany.
Ntsoavina Evariste
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.