Politique

Asa fa tsy kabary ny an-dRavalo Efa vonona ny “kits scolaires”


  • Alatsinainy 29 Oktobra 2018

Marolambo, Fandriana, Ambositra, Ambinanindrano, Ambohimahasoa, Mahasoabe, Sahambavy, Mahatsinjony, Fianarantsoa … no nanaovan’ny Kandida laharana faha-25 fampielezan-kevitra ny sabotsy lasa teo.

 

 

 Vahoaka efa ana hetsiny no nandray azy tamin-kafaliana tamin’ireo toerana ireo, ary manome toky fa handrotsa-bato ho azy amin’ny 7 novambra ho avy izao. Tsy adinony tamin’ireo toerana nolalovany, toy ny tao Ambinanindrano ny nanazava ny tetikasany sy ireo laharam-pahamehana voafaritry ny MAP2 sy ny Manifesto fa rehefa lany i Dada dia zavatra hataony voalohany ny hanamboatra ny lalana, hamerina ny fandriampahalemana, hanao izay hitsaboana ny olona, ny hisitrahan’ny zaza Malagasy ny fampianarana ary nentiny ny ampahany amin’ny fitaovana homena ny zaza Malagasy, hampitombo ny vola miditra any am-paosin’ny Malagasy. Naseho tao Ambohimahasoa sy tany amin’ireo toerana notsidihana ny “kits scolaires” ho an’ny zaza madinika, izay tena tsara kalitao ka tsy kitapo fotsiny fa misy ny fitaovana isan-karazany ao anatiny.  Eo ihany koa ny fitaovana raitra dia ny solosaina na “tablette” ho an’ireo manaraka ny fampianarana arak’asa na ny “Formation professionnelle”. Tany Singapour, izay firenena anisan’ny mandroso sy manana manampahaizana mahay eto ambonin’ny tany no namolavolana ny tetikasa ary efa vonona tanteraka fa ny fahalanian’i Marc Ravalomanana sisa andrasana. Tsy maintsy manaraka ny fampianarana any ivelany any isika, ary tsy maintsy hovaina ny rafi-pampianarana eto Madagasikara, hoy hatrany izy.  Taorian’ny fanonganam-panjakana moa dia fantatra fa 1,5 tapitrisa ny ankizy tsy tafiditra an-tsekoly (tarehimarika avy amin’ny UNICEF tamin’ny Oktobra 2018). Hohatsaraina ny fiompiana omby sy kisoa, ny fambolena ary haverina indray ny PSDR, asiana “operation Kubota”, apetraka ny Birao Ifoton’ny Fananan-tany, fampivoarana ny tanora sy vehivavy, fananganana ny “lycée agricole” sy “lycée technique”, fananganana sy fampitaovana ny Ivontoeram-panofanana arak’asa, fananganana orinasa manodina ny vokatra ao Ambohimahasoa, fanatsarana ny kianja filalaovan’ny tanora, fanofanana sy fampitaovana ny fikambanam-behivavy, hoy izy, ary hisitraka sy hiaina an’izany ny firenena manontolo. Haverina amboarina ny lalana Ambositra-Fandriana izay simba, Ambositra-Ambatofinandrahana, Ambositra sy Antoetra ka manome toky anareo aho fa rehefa lany eo dia hanamboatra ny lalana, hoy izy tao Ambositra. Tena manara-dalàna tsara fa tsy petatoko. Momba ny fandriampahalemana izay tena marary ny mponina any amin’iny faritra Fianarantsoa sy ny manodidina, dia efa mandeha amin’izao fotoana ny andrana ireo “ drone à infrarouge” any Ranomafana izay mahavita 250km. Asa fa tsy kabary ny azy no anisan’ny nahalalana azy hatramin’izay, ary efa asehony sahady na tsy mbola filoha aza i Marc Ravalomanana.

 Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT